Lesbiana

Ny lesbiana dia vehivavy voasarika manokana amina vehivavy hafa eo amin'ny lafiny ara-pitiavan'olon-droa, ara-pihetseham-po ary ara-pananahana. Manana fiziana ara-pananahana sy ara-pitiavana tsy mahazatra ny besinimaro eo amin'ny fifankatiavan'olon-droa misy eo amin'ny lehilahy iray sy vehivavy iray fa miròna kokoa amin'ny safidy tsy mahazatra avondrona amin'ny fironana antsoina hoe LGBTQIA+ ka tafiditra ao anatin'izany fironana izany avokoa na ny pelaka (saikatra) na ny sarindahy/sarimbavy na olona nanova ny endrika taova-pananahana entiny (trans) ary ireo olona sady tsy te-ho antsoina ho lahy no tsy te-ho antsoina ho vavy. Tsy voafetra amin'ny fironana ara-pananahana fotsiny ny maha-lesbiana, fa misy ihany koa ny tantara, ny kolontsaina ary ny hetsika ara-tsosialy mifandraika amin'izany [1].
Famaritana
[hanova | hanova ny fango]Nandritra ny tantara dia manana fifandraisana amin'ny hetsika LGBT sy ny feminisma ny vondrom-piarahamonina lesbiana, na dia namolavola ny fomba fijeriny sy ny fironany manokana aza izy, toy ny amin'ny tranga antsoina hoe lesbiana ara-politika. Ny kolontsaina lesbiana dia miseho amin'ny sehatra maro, indrindra eo amin'ny literatiora, ny zavakanto ary ny haino aman-jery, ary matetika mifantoka amin'ny fampahafantarana sy ny fanomezana sehatra ny traikefan'ny lesbiana izay tsy dia hita loatra teo amin'ny fiarahamonina [2].
Matetika ny teny hoe lesbiana dia ampiasaina hilazana ny fifanintonana ara-pitiavana sy ara-nofo eo amin'ny vehivavy. Na izany aza, tsy ny olona rehetra manana izany fironana izany no misafidy ny hamaritra ny tenany ho lesbiana, satria mety hisy maha-izy azy hafa ampiasainy hanehoana ny fironany ara-pananahana [3].
Ny lesbophobia, izay manondro ny fanavakavahana, ny fitsarana an-tendrony ary ny fankahalana atao amin'ny lesbiana, dia mety hisy fiantraikany amin'ny lafiny maro amin'ny fiainan'izy ireo. Anisan'izany ny fahasalamana ara-tsaina, ny fidirana amin'ny asa sy ny fanabeazana, ny fiainam-pianakaviana ary ny fandraisan'izy ireo anjara feno eo amin'ny fiarahamonina.
Tantara
[hanova | hanova ny fango]Ity fizarana ity dia nalaina avy amin'ny Tantara Lesbianina.
Lahatsoratra mifandraika: Tantaran'ny Fahapelahana, Tantaran'ny olona manana taovam-pananahana roa sy ny Tantaran'ny olona manova taovam-pananahana.
Ny tantaran'ny lesbiana dia samy manondro ny tantaran'ny vehivavy manana fifandraisana ara-pihetseham-po sy ara-pananahana amin'izy samy izy, fa koa ny tantaran'ny maha-izy azy ara-tsosialy sy ara-kolotsaina izay tsy mivaingana amin'ny firaisan'ny samy vehivavy tsotra.
Mitombo ny fiarahamonina mpankahala lesbiana izay manome tsiny azy ireo [4], ny lesbiana anefa dia mahavita mamorona sy mitazona toerana sy manaja ny fiarahamonina, ary koa ny kolontsainy manokana, indrindra ny literatiora, ary koa malalaka any amin'ny firenena sasany ny zo hanambady sy hitaiza ary handray anjara amin'ny fanafahana ara-politika ny vehivavy rehetra.
Referansa
[hanova | hanova ny fango]- ↑ https://interligne.co/question-frequente/quest-ce-quune-personne-lesbienne/
- ↑ https://pinkscreens.org/fr/seance-pink-screens/2012/lesbiana-une-revolution-parallele
- ↑ https://fr.bab.la/dictionnaire/espagnol-francais/lesbiana
- ↑ https://vitrinelinguistique.oqlf.gouv.qc.ca/fiche-gdt/fiche/26532480/lesbophobie