Hankany amin'ny vontoatiny

Wikipedia:Fandraisana

Avy amin'i Wikipedia
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Lahatsoratra 102 377 amin’ny teny malagasy

Lahatsoratra notsongaina ho an’ity volana ity

Fambolena fary

Ny fambolena trôpikaly dia fomba fambolena manokana amin' ny faritra mafana sy mando eto amin' ny planeta. Mampiavaka azy ny fisian' ny karazam-boly maro, manomboka amin’ ny voamadinika toy ny vary sy ny katsaka ka hatramin’ ny voankazo trôpikaly toy ny manga sy mananasy, ary koa ny voly fanondrana toy ny kafe sy kakaô.

Ny nofon-tany trôpikaly, matetika tsy dia mahavokatra loatra sy mora simban' ny fikao-tany, dia mila teknika fambolena mifanaraka amin' izany. Miatrika fanamby ihany koa ny fambolena trôpikaly, toy ny fitantanana ny rano, ny ady amin' ny bibikely mpanimba sy ny aretina ary ny fiarovana ny karazan-javamananaina.

Eto amin' izao tontolo izao dia betaka kokoa ny olona mamelon-tena amin’ ny fambolena trôpikaly noho ny asa hafa rehetra. Ny ankabeazan’ ireto olona ireto dia mpamboly tsy manangona ambim-bokatra sady mipetraka amin’ ny toerana trôpikaly. Mamboly voly fihinana ho an’ ny fandaniana anatiny no ny tanjon’ ny fambolena trôpikaly, kanefa misy toerana mamoaka voly fanondrana ohatra (menaka palma, paraky, siramamy, sns).

Rehefa misy firesahana momba ny tany trôpikaly, dia tsara taha ampiasaina ny teny mahafao-be mba hamondrona ny faritra manana toetany mitovitovy (ohatra: habetsahan’ ny orana, toetoetry ny tontolo onenana, karazan-tany, sns). Ny teny fampiasa matetika dia ahitana ny hoe faritra trôpikaly mando (alamorana), trôpikaly maina (tany efitra sy tany karankaina), na faritra anjakan' ny varatraza (toerana misy vanim-potoana be orana/maina voafetra). Mahasoa ireo teny voafaritra ireo rehefa mandinika ny fambolena satria raha misy teknika fambelona mandaitra amin’ ny toetany ankiray, dia tokony handaitra amin’ ny toerana hafa manana toetany mitovitovy amin' izany, na dia any amin' ny faritra hafa amin’ ny Tany aza ireo toerana ireo.

Ny teknika ampiasana any amin’ ny faritra manana toetany antonony dia matetika tsy mety amin’ ny fambolena an-tany trôpikaly. Tamin’ ny tapany faharoa an’ ny taonjato faha-20 dia betsaka ny andrana maka tahaka ny fomba fambolena mahomby avy amin' ny faritra manana toetany antonony. Kanefa tsy mandaitra izany noho ny toetany, ny karazana tany, ary ny fitsipiky ny fananan-tany izay samihafa any amin' ny faritra trôpikaly.

Nony nandaitra ireo fomba fambolena ireo dia nanasoa ny mpamboly manana tany malalaka, satria miorina amin’ ny famokarana lehibe ny teknikan' ny fambolena amin' ny tany manana toetany antonony. Matetika manangona tany mamokatra ny mpanam-bola na orinasa ary voailikilika ho any amin' ny tany tsy mamokatra ny mpamboly mandinika.

(tohiny...)


 Lahatsoratra tsara vakiana

Sarin' i Michèle Rakotoson

I Michèle Rakotoson dia vehivavy malagasy mpanoratra boky, mpanoratra tantara foronina am-boky, mpanoratra tantara tsangana, mpanao gazety, mpikatroka. Teraka tamin' ny 14 Jona 1948 tao Antananarivo izy. Namoaka tantara foronina sy tantara an-tsehatra manodidina ny folo amin' ny teny malagasy izy ary tompon' andraikitra tamin' ny zoro haisoratra ao amin' ny Revue Noire tao Paris.

Tantaram-piainana

I Michèle Rakotoson dia teraka tamin' ny 14 Jona 1948 tao Antananarivo. Avy amin' ny fianakaviana madiotanana prôtestanta. Mpanao gazety ny rainy ary mpiandraikitra ny tranomboky ny reniny.

Nitodika tany amin' ny asa fanaovan-gazety sy ny famoronana tantara an-tsehatra ary ny fanoratana izy tatỳ aoriana. Nandray kolontsaina avy amin' ny prôtestantisma sy avy amin' ny koakerisma (frenjy) izy ka nianatra tao amin' ny lisea Jules Ferry tao Antananarivo. Lasa mpampianatra literatiora sy talen' ny lalao an-tsehatra teto Madagasikara izy saingy nandao ny firenena tamin' ny taona 1983 noho ny antony ara-pôlitika. Taty aoriana dia nifindra tany Paris izy ary nahazo ny mari-pahaizana DEA amin' ny sôsiôlôjia ary lasa mpikarakara hetsika literatiora tao amin' ny Radio France Internationale. Nanao ny asan' ny mpanao gazety tao amin' ny radio RFI sy France Culture ary koa tamin' ny fahitalavitra frantsay RFO sy iraisam-pirenena hafa izy.

Tamin' ny faran' ny taona 2010 dia niverina teto Madagasikara i Michèle Rakotoson. Tamin' ny taona 2011, niara-niasa tamin' i Nicolas Vatomanga ( mpitsoka saksôfônina sy sodina amin' ny de jazz) sy tamin' ny tarika misy azy izy, ary nandray anjara mavitrika tamin' ny famolavolana hevitra vaovao: ny Slamjazz Projekt ("Tetikasa Slam Jazz"), endrika zavakanto vaovao mampiaraka ny tononkalo noforonina eo no ho eo (slam) sy ny mozika foronina eo no ho eo (jazz). Ity mpanoratra ity dia nandray anjara niraka amin' ny mpanakanto hafa tamin' ny tetikasa ara-kolontsaina maro eto an-toerana toy ny Slamjazz Projekt sy ny hetsika Bokiko. Lasa mpiahy fikambanana malagasy maro koa izy.

Tamin' ny taona 2013 dia nahazo toeram-ponenana tao amin' ny Maison des auteurs et autrices des Francophonies. Tamin' ny taona 2016, izy no mpiahy ny La Dictée francophone, izay karakarain' ny France-Québec isan-taona ao anatin' ny Semaine de la langue française ("Herinandron' ny teny frantsay").

(tohiny)

 Sarin’ny anio


 Ny vaovao


Fifanekem-piarahamiasa Madagasikara sy Rwanda amin'ny resaka EBM

Vita omaly 30 marsa 2026 tany Kigali renivohitr'i Rwanda, navoaka ao amin'ny pejy Facebook an'ny Direction Générale des Impôts sy ny tranonkalany[1] koa, ny fifanekem-piaraha-miasa (protocole d'accord - Memorandum of Understanding) eo amin'ny Rwanda sy Madagasikara amin'ny hanatanterahina ny famoaham-paktiora elektronika eto Madagasikara na "Electronic Billing Machine (EBM)". Nanao sonia izany amin'ny anaran'i Madagasikara ny Tale Jeneralin'ny DGI Atoa Edmond Rafaralahy ary nisolo tena amin'ny anaran'i Rwanda kosa ny Kômisera Jeneralin'ny RRA (Rwanda Revenue Anthority) Atoa Ronald Niwenshuti ary samy nanatrika teo ihany koa ny delegasiona roa tonta.

Tohiny...[2]

Football: Madagasikara 5-2 Kirghistan

Araka ny fanambaràna navoakan'ny Federasiona Malagasy ny Football tao amin'ny pejy Facebook dia nomontsanin'ny Ekipam-pirenena malagasy (Barea) 05 - 02 ny ekipam-pirenen'i Kirghistan nandritra ny lalao ara-pirahalahiana notontosaina tany Torkia. Notantarain'i Merveille Welo tao amin'ny Africa Top Sports[3] nivoaka tamin'ny 28 marsa 2026 tamin'ny 15:57 aza fa efa nitarika ny Barea tamin'ny isa 04 -01 tamin'ny fidirana voalohany ka tsy maintsy mitady izay fomba tsy haha-afa-baraka azy ny mpifanandrina mandritra ny tapa-potoana faharoa.

Fiaraha-miasa Fanjakana Mitambatra (UK) - Madagasikara

Namoaka filazana tao amin'ny tranonkalany[4] ofisialy ny Fanjakana Britanika tamin'ny 26 marsa 2026 lasa teo fa manomboka izao ny teratany malagasy mangataka Visa ho any amin'io Firenena Mitambatra io dia amin'ny alalan'ny eVisa ihany no hanaovana izany fa tsy amin'ny fomba hafa mba hahamora sy mahomby kokoa ny dia. Vaovao mahafinaritra ho antsika avy aty Madagasikara izany.

Governemanta Rajaonarison

Efa misy ny takelaka manokana Governemanta Rajaonarison raha mitady izany ianao. Tsindrio io sora-matevina io.


 Efemerida

Androany 1 avrily - Fetin'ny Lainga - Fetin'ny Repoblika Islamika iraniana :

Fitapitaka fetin'ny lainga nanamarihana ny fanorenana ny Metro tao Copenhagen tamin'ny taona 2001
  • 1853 - Nisokatra ny lalamby indianina, lalamby voalohany tany Azia.
  • 1955 - Nandehanan'ny Radio Tokyo Television voalohany (BTS amin'izao fotoana)
  • 1960 - Nandefasan'ny NASA ny zanabolana voalohany mpamantatra ny toetrandro ka nahomby.
  • 2001 - Nankatoavan'i Holandy ny fanambadian'ny mitovy taovam-pananahana, izy no firenena voalohany nankatoa azy io.

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

 

 

 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia 


  1. https://www.impots.mg/actualite/84?fbclid=IwY2xjawQ4qOJleHRuA2FlbQIxMABicmlkETFBeTRJeTdRRGY0N2hqbFdvc3J0YwZhcHBfaWQQMjIyMDM5MTc4ODIwMDg5MgABHnWj3dRiHgTTv6X_M7dePf7EptQNwD7nctV7Yk5g5Dg0uQfvZeuWFsFVmOa0_aem_3FySQbmNH21d4ptudmiJvQ
  2. https://incubator.wikimedia.org/wiki/Wn/mg/2026/03/31/Fifanekem-piarahamiasa_Madagasikara_sy_Rwanda_amin%27ny_famoaham-paktiora_elektr%C3%B4nika
  3. https://www.africatopsports.com/2026/03/28/amical-madagascar-humilie-le-kirghizistan-en-une-mi-temps/
  4. https://www.gov.uk/world/madagascar/news